Epistola Voalohan'i Md. Joany

Toko faha-5

5 Iza àry no maharesy an'izao tontolo izao, afa-tsy izay mino fa Jesoa no Zanak'Andriamanitra? 6 Dia izy no ilay avy tamin'ny rano sy ny rà; tsy tamin'ny rano ihany, fa tamin'ny rano sy ny rà; ary ny Fanahy no manambara, satria ny Fanahy no fahamarinana.

7 Fa misy telo no manambara [any an-danitra, dia ny Ray sy ny Teny sy ny Fanahy Masina; ary izy telo ireo dia mifanaraka. 8 Misy telo koa no manambara ety an-tany], dia ny fanahy sy ny rano sy ny rà; ary mifanaraka tsara izy telo ireo. 9 Raha ny fanambaran'ny olona aza raisintsika, mainka fa ny fanambaran'Andriamanitra izay lehibe lavitra; ary ny fanambaran'Andriamanitra, dia ny nanambarany ny Zanany indrindra. 10 Koa izay mino ny Zanak'Andriamanitra dia manana izany fanambarana izany ao anatiny; fa izay tsy mino kosa dia mampandainga an'Andriamanitra, satria tsy mino ny fanambarany ny Zanany. 11 Ary izany fanambarana izany dia izao: nomen'Andriamanitra ny fiainana mandrakizay isika, ary ao amin'ny Zanany izany fiainana izany. 12 Koa izay manana ny Zanaka dia manana ny fiainana; fa izay tsy manana ny Zanak'Andriamanitra kosa, dia tsy manana ny fiainana. 13 Izaho no nanoratra izany aminareo, dia ny mba hahafantaranareo fa manana ny fiainana mandrakizay hianareo izay mino ny anaran'ny Zanak'Andriamanitra.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0856